Marka 3
1 Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray matyt tanana teo.2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.3 Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.4 Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.5 Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.7 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.9 Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretinat.11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeanat19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsyt rehetra izay ataony;29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.31 Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Mark 3
1 And he entered again into the synagogue; and there was a man there who had his hand withered.2 And they watched him, whether he would heal him on the sabbath day; that they might accuse him.3 And he saith unto the man that had his hand withered, Stand forth.4 And he saith unto them, Is it lawful on the sabbath day to do good, or to do harm? to save a life, or to kill? But they held their peace.5 And when he had looked round about on them with anger, being grieved at the hardening of their heart, he saith unto the man, Stretch forth thy hand. And he stretched it forth; and his hand was restored.6 And the Pharisees went out, and straightway with the Herodians took counsel against him, how they might destroy him.7 And Jesus with his disciples withdrew to the sea: and a great multitude from Galilee followed; and from Judaea,8 and from Jerusalem, and from Idumaea, and beyond the Jordan, and about Tyre and Sidon, a great multitude, hearing what great things he did, came unto him.9 And he spake to his disciples, that a little boat should wait on him because of the crowd, lest they should throng him:10 for he had healed many; insomuch that as many as had plagues pressed upon him that they might touch him.11 And the unclean spirits, whensoever they beheld him, fell down before him, and cried, saying, Thou art the Son of God.12 And he charged them much that they should not make him known.13 And he goeth up into the mountain, and calleth unto him whom he himself would; and they went unto him.14 And he appointed twelve, that they might be with him, and that he might send them forth to preach,15 and to have authority to cast out demons:16 and Simon he surnamed Peter;17 and James the son of Zebedee, and John the brother of James; and them he surnamed Boanerges, which is, Sons of thunder:18 and Andrew, and Philip, and Bartholomew, and Matthew, and Thomas, and James the son of Alphaeus, and Thaddaeus, and Simon the Cananaean,19 and Judas Iscariot, who also betrayed him. And he cometh into a house.20 And the multitude cometh together again, so that they could not so much as eat bread.21 And when his friends heard it, they went out to lay hold on him: for they said, He is beside himself.22 And the scribes that came down from Jerusalem said, He hath Beelzebub, and, By the prince of the demons casteth he out the demons.23 And he called them unto him, and said unto them in parables, How can Satan cast out Satan?24 And if a kingdom be divided against itself, that kingdom cannot stand.25 And if a house be divided against itself, that house will not be able to stand.26 And if Satan hath risen up against himself, and is divided, he cannot stand, but hath an end.27 But no one can enter into the house of the strong man, and spoil his goods, except he first bind the strong man; and then he will spoil his house.28 Verily I say unto you, All their sins shall be forgiven unto the sons of men, and their blasphemies wherewith soever they shall blaspheme:29 but whosoever shall blaspheme against the Holy Spirit hath never forgiveness, but is guilty of an eternal sin:30 because they said, He hath an unclean spirit.31 And there come his mother and his brethren; and, standing without, they sent unto him, calling him.32 And a multitude was sitting about him; and they say unto him, Behold, thy mother and thy brethren without seek for thee.33 And he answereth them, and saith, Who is my mother and my brethren?34 And looking round on them that sat round about him, he saith, Behold, my mother and my brethren!35 For whosoever shall do the will of God, the same is my brother, and sister, and mother.