Matio 10
1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.2 Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,4 sy Tadeo; Simona Kananeanat ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,10 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.13 Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadiat; koa hendre tahaka ny menarana, ary moràt tahaka ny voromailala.17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?26 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helot.29 Tsy varidimiventyt ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.38 Ary izay tsy mitondrat ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.
42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Matthew 10
1 And he called unto him his twelve disciples, and gave them authority over unclean spirits, to cast them out, and to heal all manner of disease and all manner of sickness.
2 Now the names of the twelve apostles are these: The first, Simon, who is called Peter, and Andrew his brother; James the son of Zebedee, and John his brother;3 Philip, and Bartholomew; Thomas, and Matthew the publican; James the son of Alphaeus, and Thaddaeus;4 Simon the Cananaean, and Judas Iscariot, who also betrayed him.
5 These twelve Jesus sent forth, and charged them, saying, Go not into any way of the Gentiles, and enter not into any city of the Samaritans:6 but go rather to the lost sheep of the house of Israel.7 And as ye go, preach, saying, The kingdom of heaven is at hand.8 Heal the sick, raise the dead, cleanse the lepers, cast out demons: freely ye received, freely give.9 Get you no gold, nor silver, nor brass in your purses;10 no wallet for your journey, neither two coats, nor shoes, nor staff: for the laborer is worthy of his food.11 And into whatsoever city or village ye shall enter, search out who in it is worthy; and there abide till ye go forth.12 And as ye enter into the house, salute it.13 And if the house be worthy, let your peace come upon it: but if it be not worthy, let your peace return to you.14 And whosoever shall not receive you, nor hear your words, as ye go forth out of that house or that city, shake off the dust of your feet.15 Verily I say unto you, It shall be more tolerable for the land of Sodom and Gomorrah in the day of judgment, than for that city.
16 Behold, I send you forth as sheep in the midst of wolves: be ye therefore wise as serpents, and harmless as doves.17 But beware of men: for they will deliver you up to councils, and in theirs synagogues they will scourge you;18 yea and before governors and kings shall ye be brought for my sake, for a testimony to them and to the Gentiles.19 But when they deliver you up, be not anxious how or what ye shall speak: for it shall be given you in that hour what ye shall speak.20 For it is not ye that speak, but the Spirit of your Father that speaketh in you.21 And brother shall deliver up brother to death, and the father his child: and children shall rise up against parents, and cause them to be put to death.22 And ye shall be hated of all men for my name’s sake: but he that endureth to the end, the same shall be saved.23 But when they persecute you in this city, flee into the next: for verily I say unto you, Ye shall not have gone through the cities of Israel, till the Son of man be come.
24 A disciple is not above his teacher, nor a servant above his lord.25 It is enough for the disciple that he be as his teacher, and the servant as his lord. If they have called the master of the house Beelzebub, how much more them of his household!26 Fear them not therefore: for there is nothing covered, that shall not be revealed; and hid, that shall not be known.27 What I tell you in the darkness, speak ye in the light; and what ye hear in the ear, proclaim upon the house-tops.28 And be not afraid of them that kill the body, but are not able to kill the soul: but rather fear him who is able to destroy both soul and body in hell.29 Are not two sparrows sold for a penny? and not one of them shall fall on the ground without your Father:30 but the very hairs of your head are all numbered.31 Fear not therefore: ye are of more value than many sparrows.32 Every one therefore who shall confess me before men, him will I also confess before my Father who is in heaven.33 But whosoever shall deny me before men, him will I also deny before my Father who is in heaven.
34 Think not that I came to send peace on the earth: I came not to send peace, but a sword.35 For I came to set a man at variance against his father, and the daughter against her mother, and the daughter in law against her mother in law:36 and a man’s foes shall be they of his own household.37 He that loveth father or mother more than me is not worthy of me; and he that loveth son or daughter more than me is not worthy of me.38 And he that doth not take his cross and follow after me, is not worthy of me.39 He that findeth his life shall lose it; and he that loseth his life for my sake shall find it.
40 He that receiveth you receiveth me, and he that receiveth me receiveth him that sent me.41 He that receiveth a prophet in the name of a prophet shall receive a prophet’s reward: and he that receiveth a righteous man in the name of a righteous man shall receive a righteous man’s reward.42 And whosoever shall give to drink unto one of these little ones a cup of cold water only, in the name of a disciple, verily I say unto you he shall in no wise lose his reward.