Matio 13
1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.9 Izay manan-tsofinat, aoka izy hihaino.10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navelat hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navelat.12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.18 Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.20 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
33 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataonyt tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
34 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,
35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.41 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,42 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.43 Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofinat, aoka izy hihaino.
44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
45 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soat;
46 ary rehefa nahita vato soat iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.53 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?55 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?56 Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?57 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
58 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
Matthew 13
1 On that day went Jesus out of the house, and sat by the sea side.2 And there were gathered unto him great multitudes, so that he entered into a boat, and sat; and all the multitude stood on the beach.3 And he spake to them many things in parables, saying, Behold, the sower went forth to sow;4 and as he sowed, some seeds fell by the way side, and the birds came and devoured them:5 and others fell upon the rocky places, where they had not much earth: and straightway they sprang up, because they had no deepness of earth:6 and when the sun was risen, they were scorched; and because they had no root, they withered away.7 And others fell upon the thorns; and the thorns grew up and choked them:8 and others fell upon the good ground, and yielded fruit, some a hundredfold, some sixty, some thirty.9 He that hath ears, let him hear.
10 And the disciples came, and said unto him, Why speakest thou unto them in parables?11 And he answered and said unto them, Unto you it is given to know the mysteries of the kingdom of heaven, but to them it is not given.12 For whosoever hath, to him shall be given, and he shall have abundance: but whosoever hath not, from him shall be taken away even that which he hath.13 Therefore speak I to them in parables; because seeing they see not, and hearing they hear not, neither do they understand.14 And unto them is fulfilled the prophecy of Isaiah, which saith, By hearing ye shall hear, and shall in no wise understand; And seeing ye shall see, and shall in no wise perceive:
15 For this people’s heart is waxed gross, And their ears are dull of hearing, And their eyes they have closed; Lest haply they should perceive with their eyes, And hear with their ears, And understand with their heart, And should turn again, And I should heal them.
16 But blessed are your eyes, for they see; and your ears, for they hear.17 For verily I say unto you, that many prophets and righteous men desired to see the things which ye see, and saw them not; and to hear the things which ye hear, and heard them not.18 Hear then ye the parable of the sower.19 When any one heareth the word of the kingdom, and understandeth it not, then cometh the evil one, and snatcheth away that which hath been sown in his heart. This is he that was sown by the way side.20 And he that was sown upon the rocky places, this is he that heareth the word, and straightway with joy receiveth it;21 yet hath he not root in himself, but endureth for a while; and when tribulation or persecution ariseth because of the word, straightway he stumbleth.22 And he that was sown among the thorns, this is he that heareth the word; and the care of the world, and the deceitfulness of riches, choke the word, and he becometh unfruitful.23 And he that was sown upon the good ground, this is he that heareth the word, and understandeth it; who verily beareth fruit, and bringeth forth, some a hundredfold, some sixty, some thirty.
24 Another parable set he before them, saying, The kingdom of heaven is likened unto a man that sowed good seed in his field:25 but while men slept, his enemy came and sowed tares also among the wheat, and went away.26 But when the blade sprang up and brought forth fruit, then appeared the tares also.27 And the servants of the householder came and said unto him, Sir, didst thou not sow good seed in thy field? whence then hath it tares?28 And he said unto them, An enemy hath done this. And the servants say unto him, Wilt thou then that we go and gather them up?29 But he saith, Nay; lest haply while ye gather up the tares, ye root up the wheat with them.30 Let both grow together until the harvest: and in the time of the harvest I will say to the reapers, Gather up first the tares, and bind them in bundles to burn them; but gather the wheat into my barn.
31 Another parable set he before them, saying, The kingdom of heaven is like unto a grain of mustard seed, which a man took, and sowed in his field:32 which indeed is less than all seeds; but when it is grown, it is greater than the herbs, and becometh a tree, so that the birds of the heaven come and lodge in the branches thereof.
33 Another parable spake he unto them; The kingdom of heaven is like unto leaven, which a woman took, and hid in three measures of meal, till it was all leavened.
34 All these things spake Jesus in parables unto the multitudes; and without a parable spake he nothing unto them:35 that it might be fulfilled which was spoken through the prophet, saying, I will open my mouth in parables; I will utter things hidden from the foundation of the world.
36 Then he left the multitudes, and went into the house: and his disciples came unto him, saying, Explain unto us the parable of the tares of the field.37 And he answered and said, He that soweth the good seed is the Son of man;38 and the field is the world; and the good seed, these are the sons of the kingdom; and the tares are the sons of the evil one;39 and the enemy that sowed them is the devil: and the harvest is the end of the world; and the reapers are angels.40 As therefore the tares are gathered up and burned with fire; so shall it be in the end of the world.41 The Son of man shall send forth his angels, and they shall gather out of his kingdom all things that cause stumbling, and them that do iniquity,42 and shall cast them into the furnace of fire: there shall be the weeping and the gnashing of teeth.43 Then shall the righteous shine forth as the sun in the kingdom of their Father. He that hath ears, let him hear.
44 The kingdom of heaven is like unto a treasure hidden in the field; which a man found, and hid; and in his joy he goeth and selleth all that he hath, and buyeth that field.
45 Again, the kingdom of heaven is like unto a man that is a merchant seeking goodly pearls:46 and having found one pearl of great price, he went and sold all that he had, and bought it.
47 Again, the kingdom of heaven is like unto a net, that was cast into the sea, and gathered of every kind:48 which, when it was filled, they drew up on the beach; and they sat down, and gathered the good into vessels, but the bad they cast away.49 So shall it be in the end of the world: the angels shall come forth, and sever the wicked from among the righteous,50 and shall cast them into the furnace of fire: there shall be the weeping and the gnashing of teeth.
51 Have ye understood all these things? They say unto him, Yea.52 And he said unto them, Therefore every scribe who hath been made a disciple to the kingdom of heaven is like unto a man that is a householder, who bringeth forth out of his treasure things new and old.
53 And it came to pass, when Jesus had finished these parables, he departed thence.
54 And coming into his own country he taught them in their synagogue, insomuch that they were astonished, and said, Whence hath this man this wisdom, and these mighty works?55 Is not this the carpenter’s son? is not his mother called Mary? and his brethren, James, and Joseph, and Simon, and Judas?56 And his sisters, are they not all with us? Whence then hath this man all these things?57 And they were offended in him. But Jesus said unto them, A prophet is not without honor, save in his own country, and in his own house.58 And he did not many mighty works there because of their unbelief.