Matio 23
1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.9 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditrat.14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.21 Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.22 Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny kominat ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.32 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-35 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.36 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!38 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
Matthew 23
1 Then spake Jesus to the multitudes and to his disciples,2 saying, The scribes and the Pharisees sit on Moses seat:3 all things therefore whatsoever they bid you, these do and observe: but do not ye after their works; for they say, and do not.4 Yea, they bind heavy burdens and grievous to be borne, and lay them on men’s shoulders; but they themselves will not move them with their finger.5 But all their works they do to be seen of men: for they make broad their phylacteries, and enlarge the borders of their garments,6 and love the chief place at feasts, and the chief seats in the synagogues,7 and the salutations in the marketplaces, and to be called of men, Rabbi.8 But be not ye called Rabbi: for one is your teacher, and all ye are brethren.9 And call no man your father on the earth: for one is your Father, even he who is in heaven.10 Neither be ye called masters: for one is your master, even the Christ.11 But he that is greatest among you shall be your servant.12 And whosoever shall exalt himself shall be humbled; and whosoever shall humble himself shall be exalted.
13 But woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! because ye shut the kingdom of heaven against men: for ye enter not in yourselves, neither suffer ye them that are entering in to enter.14 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye devour widows’ houses, even while for a pretence ye make long prayers: therefore ye shall receive greater condemnation.
15 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye compass sea and land to make one proselyte; and when he is become so, ye make him twofold more a son of hell than yourselves.
16 Woe unto you, ye blind guides, that say, Whosoever shall swear by the temple, it is nothing; but whosoever shall swear by the gold of the temple, he is a debtor.17 Ye fools and blind: for which is greater, the gold, or the temple that hath sanctified the gold?18 And, Whosoever shall swear by the altar, it is nothing; but whosoever shall swear by the gift that is upon it, he is a debtor.19 Ye blind: for which is greater, the gift, or the altar that sanctifieth the gift?20 He therefore that sweareth by the altar, sweareth by it, and by all things thereon.21 And he that sweareth by the temple, sweareth by it, and by him that dwelleth therein.22 And he that sweareth by the heaven, sweareth by the throne of God, and by him that sitteth thereon.
23 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye tithe mint and anise and cummin, and have left undone the weightier matters of the law, justice, and mercy, and faith: but these ye ought to have done, and not to have left the other undone.24 Ye blind guides, that strain out the gnat, and swallow the camel!
25 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye cleanse the outside of the cup and of the platter, but within they are full from extortion and excess.26 Thou blind Pharisee, cleanse first the inside of the cup and of the platter, that the outside thereof may become clean also.
27 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye are like unto whited sepulchres, which outwardly appear beautiful, but inwardly are full of dead men’s bones, and of all uncleanness.28 Even so ye also outwardly appear righteous unto men, but inwardly ye are full of hypocrisy and iniquity.
29 Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye build the sepulchres of the prophets, and garnish the tombs of the righteous,30 and say, If we had been in the days of our fathers, we should not have been partakers with them in the blood of the prophets.31 Wherefore ye witness to yourselves, that ye are sons of them that slew the prophets.32 Fill ye up then the measure of your fathers.33 Ye serpents, ye offspring of vipers, how shall ye escape the judgment of hell?34 Therefore, behold, I send unto you prophets, and wise men, and scribes: some of them shall ye kill and crucify; and some of them shall ye scourge in your synagogues, and persecute from city to city:35 that upon you may come all the righteous blood shed on the earth, from the blood of Abel the righteous unto the blood of Zachariah son of Barachiah, whom ye slew between the sanctuary and the altar.36 Verily I say unto you, All these things shall come upon this generation.
37 O Jerusalem, Jerusalem, that killeth the prophets, and stoneth them that are sent unto her! how often would I have gathered thy children together, even as a hen gathereth her chickens under her wings, and ye would not!38 Behold, your house is left unto you desolate.39 For I say unto you, Ye shall not see me henceforth, till ye shall say, Blessed is he that cometh in the name of the Lord.