previous next

Matio 28

1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.

15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

Matthew 28

1 Now late on the sabbath day, as it began to dawn toward the first day of the week, came Mary Magdalene and the other Mary to see the sepulchre.2 And behold, there was a great earthquake; for an angel of the Lord descended from heaven, and came and rolled away the stone, and sat upon it.3 His appearance was as lightning, and his raiment white as snow:4 and for fear of him the watchers did quake, and became as dead men.5 And the angel answered and said unto the women, Fear not ye; for I know that ye seek Jesus, who hath been crucified.6 He is not here; for he is risen, even as he said. Come, see the place where the Lord lay.7 And go quickly, and tell his disciples, He is risen from the dead; and lo, he goeth before you into Galilee; there shall ye see him: lo, I have told you.8 And they departed quickly from the tomb with fear and great joy, and ran to bring his disciples word.9 And behold, Jesus met them, saying, All hail. And they came and took hold of his feet, and worshipped him.10 Then saith Jesus unto them, Fear not: go tell my brethren that they depart into Galilee, and there shall they see me.

11 Now while they were going, behold, some of the guard came into the city, and told unto the chief priests all the things that were come to pass.12 And when they were assembled with the elders, and had taken counsel, they gave much money unto the soldiers,13 saying, Say ye, His disciples came by night, and stole him away while we slept.14 And if this come to the governor’s ears, we will persuade him, and rid you of care.15 So they took the money, and did as they were taught: and this saying was spread abroad among the Jews, and continueth until this day.

16 But the eleven disciples went into Galilee, unto the mountain where Jesus had appointed them.17 And when they saw him, they worshipped him; but some doubted.18 And Jesus came to them and spake unto them, saying, All authority hath been given unto me in heaven and on earth.19 Go ye therefore, and make disciples of all the nations, baptizing them into the name of the Father and of the Son and of the Holy Spirit:20 teaching them to observe all things whatsoever I commanded you: and lo, I am with you always, even unto the end of the world.