previous next

Matio 5

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia literat iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitrat amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helot mirehitra afo.23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohinat anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.36 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsyt.38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha mailyt iray, mandehana miaraka aminy maily roa.42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

Matthew 5

1 And seeing the multitudes, he went up into the mountain: and when he had sat down, his disciples came unto him:2 and he opened his mouth and taught them, saying,

3 Blessed are the poor in spirit: for theirs is the kingdom of heaven.

4 Blessed are they that mourn: for they shall be comforted.

5 Blessed are the meek: for they shall inherit the earth.

6 Blessed are they that hunger and thirst after righteousness: for they shall be filled.

7 Blessed are the merciful: for they shall obtain mercy.

8 Blessed are the pure in heart: for they shall see God.

9 Blessed are the peacemakers: for they shall be called sons of God.

10 Blessed are they that have been persecuted for righteousness’ sake: for theirs is the kingdom of heaven.11 Blessed are ye when men shall reproach you, and persecute you, and say all manner of evil against you falsely, for my sake.12 Rejoice, and be exceeding glad: for great is your reward in heaven: for so persecuted they the prophets that were before you.

13 Ye are the salt of the earth: but if the salt have lost its savor, wherewith shall it be salted? it is thenceforth good for nothing, but to be cast out and trodden under foot of men.14 Ye are the light of the world. A city set on a hill cannot be hid.15 Neither do men light a lamp, and put it under the bushel, but on the stand; and it shineth unto all that are in the house.16 Even so let your light shine before men; that they may see your good works, and glorify your Father who is in heaven.

17 Think not that I came to destroy the law or the prophets: I came not to destroy, but to fulfil.18 For verily I say unto you, Till heaven and earth pass away, one jot or one tittle shall in no wise pass away from the law, till all things be accomplished.19 Whosoever therefore shall break one of these least commandments, and shall teach men so, shall be called least in the kingdom of heaven: but whosoever shall do and teach them, he shall be called great in the kingdom of heaven.20 For I say unto you, that except your righteousness shall exceed the righteousness of the scribes and Pharisees, ye shall in no wise enter into the kingdom of heaven.

21 Ye have heard that it was said to them of old time, Thou shalt not kill; and whosoever shall kill shall be in danger of the judgment:22 but I say unto you, that every one who is angry with his brother shall be in danger of the judgment; and whosoever shall say to his brother, Raca, shall be in danger of the council; and whosoever shall say, Thou fool, shall be in danger of the hell of fire.23 If therefore thou art offering thy gift at the altar, and there rememberest that thy brother hath aught against thee,24 leave there thy gift before the altar, and go thy way, first be reconciled to thy brother, and then come and offer thy gift.25 Agree with thine adversary quickly, while thou art with him in the way; lest haply the adversary deliver thee to the judge, and the judge deliver thee to the officer, and thou be cast into prison.26 Verily I say unto thee, thou shalt by no means come out thence, till thou have paid the last farthing.

27 Ye have heard that it was said, Thou shalt not commit adultery:28 but I say unto you, that every one that looketh on a woman to lust after her hath committed adultery with her already in his heart.29 And if thy right eye causeth thee to stumble, pluck it out, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not thy whole body be cast into hell.30 And if thy right hand causeth thee to stumble, cut it off, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not thy whole body go into hell.31 It was said also, Whosoever shall put away his wife, let him give her a writing of divorcement:32 but I say unto you, that every one that putteth away his wife, saving for the cause of fornication, maketh her an adulteress: and whosoever shall marry her when she is put away committeth adultery.

33 Again, ye have heard that it was said to them of old time, Thou shalt not forswear thyself, but shalt perform unto the Lord thine oaths:34 but I say unto you, swear not at all; neither by the heaven, for it is the throne of God;35 nor by the earth, for it is the footstool of his feet; nor by Jerusalem, for it is the city of the great King.36 Neither shalt thou swear by thy head, for thou canst not make one hair white or black.37 But let your speech be, Yea, yea; Nay, nay: and whatsoever is more than these is of the evil one.

38 Ye have heard that it was said, An eye for an eye, and a tooth for a tooth:39 but I say unto you, resist not him that is evil: but whosoever smiteth thee on thy right cheek, turn to him the other also.40 And if any man would go to law with thee, and take away thy coat, let him have thy cloak also.41 And whosoever shall compel thee to go one mile, go with him two.42 Give to him that asketh thee, and from him that would borrow of thee turn not thou away.

43 Ye have heard that it was said, Thou shalt love thy neighbor, and hate thine enemy:44 but I say unto you, love your enemies, and pray for them that persecute you;45 that ye may be sons of your Father who is in heaven: for he maketh his sun to rise on the evil and the good, and sendeth rain on the just and the unjust.46 For if ye love them that love you, what reward have ye? do not even the publicans the same?47 And if ye salute your brethren only, what do ye more than others? do not even the Gentiles the same?48 Ye therefore shall be perfect, as your heavenly Father is perfect.