previous next

Filipiana 2

Ny amin'i Timoty sy Epafrodito

1 Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,3 tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,6 Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,7 fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.9 Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.12 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.

18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.

19 Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.20 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amikot aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.21 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.23 Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.24 Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.25 Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareot sy mpanompo hanome izay nilaiko.26 Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.27 Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.28 Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.29 Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;

30 fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.

Philippians 2

1 If there is therefore any exhortation in Christ, if any consolation of love, if any fellowship of the Spirit, if any tender mercies and compassions,2 make full my joy, that ye be of the same mind, having the same love, being of one accord, of one mind;3 doing nothing through faction or through vainglory, but in lowliness of mind each counting other better than himself;4 not looking each of you to his own things, but each of you also to the things of others.5 Have this mind in you, which was also in Christ Jesus:6 who, existing in the form of God, counted not the being on an equality with God a thing to be grasped,7 but emptied himself, taking the form of a servant, being made in the likeness of men;8 and being found in fashion as a man, he humbled himself, becoming obedient even unto death, yea, the death of the cross.9 Wherefore also God highly exalted him, and gave unto him the name which is above every name;10 that in the name of Jesus every knee should bow, of things in heaven and things on earth and things under the earth,11 and that every tongue should confess that Jesus Christ is Lord, to the glory of God the Father.12 So then, my beloved, even as ye have always obeyed, not as in my presence only, but now much more in my absence, work out your own salvation with fear and trembling;13 for it is God who worketh in you both to will and to work, for his good pleasure.14 Do all things without murmurings and questionings:15 that ye may become blameless and harmless, children of God without blemish in the midst of a crooked and perverse generation, among whom ye are seen as lights in the world,16 holding forth the word of life; that I may have whereof to glory in the day of Christ, that I did not run in vain neither labor in vain.17 Yea, and if I am offered upon the sacrifice and service of your faith, I joy, and rejoice with you all:18 and in the same manner do ye also joy, and rejoice with me.19 But I hope in the Lord Jesus to send Timothy shortly unto you, that I also may be of good comfort, when I know your state.20 For I have no man likeminded, who will care truly for your state.21 For they all seek their own, not the things of Jesus Christ.22 But ye know the proof of him, that, as a child serveth a father, so he served with me in furtherance of the gospel.23 Him therefore I hope to send forthwith, so soon as I shall see how it will go with me:24 but I trust in the Lord that I myself also shall come shortly.25 But I counted it necessary to send to you Epaphroditus, my brother and fellow-worker and fellow-soldier, and your messenger and minister to my need;26 since he longed after you all, and was sore troubled, because ye had heard that he was sick:27 for indeed he was sick nigh unto death: but God had mercy on him; and not on him only, but on me also, that I might not have sorrow upon sorrow.28 I have sent him therefore the more diligently, that, when ye see him again, ye may rejoice, and that I may be the less sorrowful.29 Receive him therefore in the Lord with all joy; and hold such in honor:30 because for the work of Christ he came nigh unto death, hazarding his life to supply that which was lacking in your service toward me.