Apokalypsy 2
Tyatira
1 Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonanat any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6 Kanefa izao no toetranaot: halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa.
7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonanat. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra.
8 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonanat any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsyt ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana.10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonanat. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.
12 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonanat any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonanat. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
18 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonanat any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonanat rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.
29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonanat.
Revelation 2
1 To the angel of the church in Ephesus write: These things saith he that holdeth the seven stars in his right hand, he that walketh in the midst of the seven golden candlesticks:2 I know thy works, and thy toil and patience, and that thou canst not bear evil men, and didst try them that call themselves apostles, and they are not, and didst find them false;3 and thou hast patience and didst bear for my name’s sake, and hast not grown weary.4 But I have this against thee, that thou didst leave thy first love.5 Remember therefore whence thou art fallen, and repent and do the first works; or else I come to thee, and will move thy candlestick out of its place, except thou repent.6 But this thou hast, that thou hatest the works of the Nicolaitans, which I also hate.7 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith to the churches. To him that overcometh, to him will I give to eat of the tree of life, which is in the Paradise of God.8 And to the angel of the church in Smyrna write: These things saith the first and the last, who was dead, and lived again:9 I know thy tribulation, and thy poverty (but thou art rich), and the blasphemy of them that say they are Jews, and they art not, but are a synagogue of Satan.10 Fear not the things which thou art about to suffer: behold, the devil is about to cast some of you into prison, that ye may be tried; and ye shall have tribulation ten days. Be thou faithful unto death, and I will give thee the crown of life.11 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith to the churches. He that overcometh shall not be hurt of the second death.12 and to the angel of the church in Pergamum write: These things saith he that hath the sharp two-edged sword:13 I know where thou dwellest, even where Satan’s throne is; and thou holdest fast my name, and didst not deny my faith, even in the days of Antipas my witness, my faithful one, who was killed among you, where Satan dwelleth.14 But I have a few things against thee, because thou hast there some that hold the teaching of Balaam, who taught Balak to cast a stumblingblock before the children of Israel, to eat things sacrificed to idols, and to commit fornication.15 So hast thou also some that hold the teaching of the Nicolaitans in like manner.16 Repent therefore; or else I come to thee quickly, and I will make war against them with the sword of my mouth.17 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith to the churches. To him that overcometh, to him will I give of the hidden manna, and I will give him a white stone, and upon the stone a new name written, which no one knoweth but he that receiveth it.18 And to the angel of the church in Thyatira write: These things saith the Son of God, who hath his eyes like a flame of fire, and his feet are like unto burnished brass:19 I know thy works, and thy love and faith and ministry and patience, and that thy last works are more than the first.20 But I have this against thee, that thou sufferest the woman Jezebel, who calleth herself a prophetess; and she teacheth and seduceth my servants to commit fornication, and to eat things sacrificed to idols.21 And I gave her time that she should repent; and she willeth not to repent of her fornication.22 Behold, I cast her into a bed, and them that commit adultery with her into great tribulation, except they repent of her works.23 And I will kill her children with death; and all the churches shall know that I am he that searcheth the reins and hearts: and I will give unto each one of you according to your works.24 But to you I say, to the rest that are in Thyatira, as many as have not this teaching, who know not the deep things of Satan, as they are wont to say; I cast upon you none other burden.25 Nevertheless that which ye have, hold fast till I come.26 And he that overcometh, and he that keepeth my works unto the end, to him will I give authority over the nations:27 and he shall rule them with a rod of iron, as the vessels of the potter are broken to shivers; as I also have received of my Father:28 and I will give him the morning star.29 He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith to the churches.