Romana 1
Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy
1 Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masinat,3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,4 ary nasehot tamin-kery ho Zanak'Andriamanitrat araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika,5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisat koa.
17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velonat (Hab. 2. 4).
18 Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatrat ireo;21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitrat, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Romans 1
1 Paul, a servant of Jesus Christ, called to be an apostle, separated unto the gospel of God,2 which he promised afore through his prophets in the holy scriptures,3 concerning his Son, who was born of the seed of David according to the flesh,4 who was declared to be the Son of God with power, according to the spirit of holiness, by the resurrection from the dead; even Jesus Christ our Lord,5 through whom we received grace and apostleship, unto obedience of faith among all the nations, for his name’s sake;6 among whom are ye also called to be Jesus Christ’s:7 To all that are in Rome, beloved of God, called to be saints: Grace to you and peace from God our Father and the Lord Jesus Christ.8 First, I thank my God through Jesus Christ for you all, that your faith is proclaimed throughout the whole world.9 For God is my witness, whom I serve in my spirit in the gospel of his Son, how unceasingly I make mention of you, always in my prayers10 making request, if by any means now at length I may be prospered by the will of God to come unto you.11 For I long to see you, that I may impart unto you some spiritual gift, to the end ye may be established;12 that is, that I with you may be comforted in you, each of us by the other’s faith, both yours and mine.13 And I would not have you ignorant, brethren, that oftentimes I purposed to come unto you (and was hindered hitherto), that I might have some fruit in you also, even as in the rest of the Gentiles.14 I am debtor both to Greeks and to Barbarians, both to the wise and to the foolish.15 So, as much as in me is, I am ready to preach the gospel to you also that are in Rome.16 For I am not ashamed of the gospel: for it is the power of God unto salvation to every one that believeth; to the Jew first, and also to the Greek.17 For therein is revealed a righteousness of God from faith unto faith: as it is written, But the righteous shall live by faith.18 For the wrath of God is revealed from heaven against all ungodliness and unrighteousness of men, who hinder the truth in unrighteousness;19 because that which is known of God is manifest in them; for God manifested it unto them.20 For the invisible things of him since the creation of the world are clearly seen, being perceived through the things that are made, even his everlasting power and divinity; that they may be without excuse:21 because that, knowing God, they glorified him not as God, neither gave thanks; but became vain in their reasonings, and their senseless heart was darkened.22 Professing themselves to be wise, they became fools,23 and changed the glory of the incorruptible God for the likeness of an image of corruptible man, and of birds, and four-footed beasts, and creeping things.24 Wherefore God gave them up in the lusts of their hearts unto uncleanness, that their bodies should be dishonored among themselves:25 for that they exchanged the truth of God for a lie, and worshipped and served the creature rather than the Creator, who is blessed for ever. Amen.26 For this cause God gave them up unto vile passions: for their women changed the natural use into that which is against nature:27 and likewise also the men, leaving the natural use of the woman, burned in their lust one toward another, men with men working unseemliness, and receiving in themselves that recompense of their error which was due.28 And even as they refused to have God in their knowledge, God gave them up unto a reprobate mind, to do those things which are not fitting;29 being filled with all unrighteousness, wickedness, covetousness, maliciousness; full of envy, murder, strife, deceit, malignity; whisperers,30 backbiters, hateful to God, insolent, haughty, boastful, inventors of evil things, disobedient to parents,31 without understanding, covenant-breakers, without natural affection, unmerciful:32 who, knowing the ordinance of God, that they that practise such things are worthy of death, not only do the same, but also consent with them that practise them.