Romana 15
1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareot koa ho voninahitr'Andriamanitra.
8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masinat, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).22 Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.23 Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,24 raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.25 Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.26 Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.27 Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.28 Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.29 Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.30 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,31 mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,32 mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
33 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
Romans 15
1 Now we that are strong ought to bear the infirmities of the weak, and not to please ourselves.2 Let each one of us please his neighbor for that which is good, unto edifying.3 For Christ also pleased not himself; but, as it is written, The reproaches of them that reproached thee fell upon me.4 For whatsoever things were written aforetime were written for our learning, that through patience and through comfort of the scriptures we might have hope.5 Now the God of patience and of comfort grant you to be of the same mind one with another according to Christ Jesus:6 that with one accord ye may with one mouth glorify the God and Father of our Lord Jesus Christ.7 Wherefore receive ye one another, even as Christ also received you, to the glory of God.8 For I say that Christ hath been made a minister of the circumcision for the truth of God, that he might confirm the promises given unto the fathers,9 and that the Gentiles might glorify God for his mercy; as it is written, Therefore will I give praise unto thee among the Gentiles, And sing unto thy name.
10 And again he saith, Rejoice, ye Gentiles, with his people.
11 And again, Praise the Lord, all ye Gentiles; And let all the peoples praise him.
12 And again, Isaiah saith, There shall be the root of Jesse, And he that ariseth to rule over the Gentiles; On him shall the Gentiles hope.
13 Now the God of hope fill you with all joy and peace in believing, that ye may abound in hope, in the power of the Holy Spirit.14 And I myself also am persuaded of you, my brethren, that ye yourselves are full of goodness, filled with all knowledge, able also to admonish one another.15 But I write the more boldly unto you in some measure, as putting you again in remembrance, because of the grace that was given me of God,16 that I should be a minister of Christ Jesus unto the Gentiles, ministering the gospel of God, that the offering up of the Gentiles might be made acceptable, being sanctified by the Holy Spirit.17 I have therefore my glorifying in Christ Jesus in things pertaining to God.18 For I will not dare to speak of any things save those which Christ wrought through me, for the obedience of the Gentiles, by word and deed,19 in the power of signs and wonders, in the power of the Holy Spirit; so that from Jerusalem, and round about even unto Illyricum, I have fully preached the gospel of Christ;20 yea, making it my aim so to preach the gospel, not where Christ was already named, that I might not build upon another man’s foundation;21 but, as it is written, They shall see, to whom no tidings of him came, And they who have not heard shall understand.
22 Wherefore also I was hindered these many times from coming to you:23 but now, having no more any place in these regions, and having these many years a longing to come unto you,24 whensoever I go unto Spain (for I hope to see you in my journey, and to be brought on my way thitherward by you, if first in some measure I shall have been satisfied with your company)--25 but now, I say, I go unto Jerusalem, ministering unto the saints.26 For it hath been the good pleasure of Macedonia and Achaia to make a certain contribution for the poor among the saints that are at Jerusalem.27 Yea, it hath been their good pleasure; and their debtors they are. For if the Gentiles have been made partakers of their spiritual things, they owe it to them also to minister unto them in carnal things.28 When therefore I have accomplished this, and have sealed to them this fruit, I will go on by you unto Spain.29 And I know that, when I come unto you, I shall come in the fulness of the blessing of Christ.30 Now I beseech you, brethren, by our Lord Jesus Christ, and by the love of the Spirit, that ye strive together with me in your prayers to God for me;31 that I may be delivered from them that are disobedient in Judaea, and that my ministration which I have for Jerusalem may be acceptable to the saints;32 that I may come unto you in joy through the will of God, and together with you find rest.33 Now the God of peace be with you all. Amen.