Romana 3
Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy
1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana adyt (Sal. 51. 4).5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.9 Ahoana ary? Manan-kavalyt va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisat;10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);15 Ny tongony mimaona handatsa-drà;16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;17 Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristyt ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotanat amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany,26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.
31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Romans 3
1 What advantage then hath the Jew? or what is the profit of circumcision?2 Much every way: first of all, that they were intrusted with the oracles of God.3 For what if some were without faith? shall their want of faith make of none effect the faithfulness of God?4 God forbid: yea, let God be found true, but every man a liar; as it is written, That thou mightest be justified in thy words, And mightest prevail when thou comest into judgment.
5 But if our righteousness commendeth the righteousness of God, what shall we say? Is God unrighteous who visiteth with wrath? (I speak after the manner of men.)6 God forbid: for then how shall God judge the world?7 But if the truth of God through my lie abounded unto his glory, why am I also still judged as a sinner?8 and why not (as we are slanderously reported, and as some affirm that we say), Let us do evil, that good may come? whose condemnation is just.9 What then? are we better than they? No, in no wise: for we before laid to the charge both of Jews and Greeks, that they are all under sin;10 as it is written, There is none righteous, no, not one;
11 There is none that understandeth, There is none that seeketh after God;
12 They have all turned aside, they are together become unprofitable; There is none that doeth good, no, not, so much as one:
13 Their throat is an open sepulchre; With their tongues they have used deceit: The poison of asps is under their lips:
14 Whose mouth is full of cursing and bitterness:
15 Their feet are swift to shed blood;
16 Destruction and misery are in their ways;
17 And the way of peace have they not known:
18 There is no fear of God before their eyes.
19 Now we know that what things soever the law saith, it speaketh to them that are under the law; that every mouth may be stopped, and all the world may be brought under the judgment of God:20 because by the works of the law shall no flesh be justified in his sight; for through the law cometh the knowledge of sin.21 But now apart from the law a righteousness of God hath been manifested, being witnessed by the law and the prophets;22 even the righteousness of God through faith in Jesus Christ unto all them that believe; for there is no distinction;23 for all have sinned, and fall short of the glory of God;24 being justified freely by his grace through the redemption that is in Christ Jesus:25 whom God set forth to be a propitiation, through faith, in his blood, to show his righteousness because of the passing over of the sins done aforetime, in the forbearance of God;26 for the showing, I say, of his righteousness at this present season: that he might himself be just, and the justifier of him that hath faith in Jesus.27 Where then is the glorying? It is excluded. By what manner of law? of works? Nay: but by a law of faith.28 We reckon therefore that a man is justified by faith apart from the works of the law.29 Or is God the God of Jews only? is he not the God of Gentiles also? Yea, of Gentiles also:30 if so be that God is one, and he shall justify the circumcision by faith, and the uncircumcision through faith.31 Do we then make the law of none effect through faith? God forbid: nay, we establish the law.