previous next

Romana 6

Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy

1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.5 Fa raha nampiraisinat taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadiant'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadiant'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.

23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Romans 6

1 What shall we say then? Shall we continue in sin, that grace may abound?2 God forbid. We who died to sin, how shall we any longer live therein?3 Or are ye ignorant that all we who were baptized into Christ Jesus were baptized into his death?4 We were buried therefore with him through baptism unto death: that like as Christ was raised from the dead through the glory of the Father, so we also might walk in newness of life.5 For if we have become united with him in the likeness of his death, we shall be also in the likeness of his resurrection;6 knowing this, that our old man was crucified with him, that the body of sin might be done away, that so we should no longer be in bondage to sin;7 for he that hath died is justified from sin.8 But if we died with Christ, we believe that we shall also live with him;9 knowing that Christ being raised from the dead dieth no more; death no more hath dominion over him.10 For the death that he died, he died unto sin once: but the life that he liveth, he liveth unto God.11 Even so reckon ye also yourselves to be dead unto sin, but alive unto God in Christ Jesus.12 Let not sin therefore reign in your mortal body, that ye should obey the lusts thereof:13 neither present your members unto sin as instruments of unrighteousness; but present yourselves unto God, as alive from the dead, and your members as instruments of righteousness unto God.14 For sin shall not have dominion over you: for ye are not under law, but under grace.15 What then? shall we sin, because we are not under law, but under grace? God forbid.16 Know ye not, that to whom ye present yourselves as servants unto obedience, his servants ye are whom ye obey; whether of sin unto death, or of obedience unto righteousness?17 But thanks be to God, that, whereas ye were servants of sin, ye became obedient from the heart to that form of teaching whereunto ye were delivered;18 and being made free from sin, ye became servants of righteousness.19 I speak after the manner of men because of the infirmity of your flesh: for as ye presented your members as servants to uncleanness and to iniquity unto iniquity, even so now present your members as servants to righteousness unto sanctification.20 For when ye were servants of sin, ye were free in regard of righteousness.21 What fruit then had ye at that time in the things whereof ye are now ashamed? for the end of those things is death.22 But now being made free from sin and become servants to God, ye have your fruit unto sanctification, and the end eternal life.23 For the wages of sin is death; but the free gift of God is eternal life in Christ Jesus our Lord.