previous next

Romana 7

1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.4 Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.

11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
12 Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina ahot, dia ato amiko ihany ny ratsy.22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?

25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.

Romans 7

1 Or are ye ignorant, brethren (for I speak to men who know the law), that the law hath dominion over a man for so long time as he liveth?2 For the woman that hath a husband is bound by law to the husband while he liveth; but if the husband die, she is discharged from the law of the husband.3 So then if, while the husband liveth, she be joined to another man, she shall be called an adulteress: but if the husband die, she is free from the law, so that she is no adulteress, though she be joined to another man.4 Wherefore, my brethren, ye also were made dead to the law through the body of Christ; that ye should be joined to another, even to him who was raised from the dead, that we might bring forth fruit unto God.5 For when we were in the flesh, the sinful passions, which were through the law, wrought in our members to bring forth fruit unto death.6 But now we have been discharged from the law, having died to that wherein we were held; so that we serve in newness of the spirit, and not in oldness of the letter.7 What shall we say then? Is the law sin? God forbid. Howbeit, I had not known sin, except through the law: for I had not known coveting, except the law had said, Thou shalt not covet:8 but sin, finding occasion, wrought in me through the commandment all manner of coveting: for apart from the law sin is dead.9 And I was alive apart from the law once: but when the commandment came, sin revived, and I died;10 and the commandment, which was unto life, this I found to be unto death:11 for sin, finding occasion, through the commandment beguiled me, and through it slew me.12 So that the law is holy, and the commandment holy, and righteous, and good.13 Did then that which is good become death unto me? God forbid. But sin, that it might be shown to be sin, by working death to me through that which is good; --that through the commandment sin might become exceeding sinful.14 For we know that the law is spiritual: but I am carnal, sold under sin.15 For that which I do I know not: for not what I would, that do I practise; but what I hate, that I do.16 But if what I would not, that I do, I consent unto the law that it is good.17 So now it is no more I that do it, but sin which dwelleth in me.18 For I know that in me, that is, in my flesh, dwelleth no good thing: for to will is present with me, but to do that which is good is not.19 For the good which I would I do not: but the evil which I would not, that I practise.20 But if what I would not, that I do, it is no more I that do it, but sin which dwelleth in me.21 I find then the law, that, to me who would do good, evil is present.22 For I delight in the law of God after the inward man:23 but I see a different law in my members, warring against the law of my mind, and bringing me into captivity under the law of sin which is in my members.24 Wretched man that I am! who shall deliver me out of the body of this death?25 I thank God through Jesus Christ our Lord. So then I of myself with the mind, indeed, serve the law of God; but with the flesh the law of sin.