Titosy 1
Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta
1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,2 amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;3 fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholonat amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilemat sady handresy lahatra ny mpanohitra.10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.12 Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjakat amin'ny finoana,14 tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16 Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Titus 1
1 Paul, a servant of God, and an apostle of Jesus Christ, according to the faith of God’s elect, and the knowledge of the truth which is according to godliness,2 in hope of eternal life, which God, who cannot lie, promised before times eternal;3 but in his own seasons manifested his word in the message, wherewith I was intrusted according to the commandment of God our Saviour;4 to Titus, my true child after a common faith: Grace and peace from God the Father and Christ Jesus our Saviour.5 For this cause left I thee in Crete, that thou shouldest set in order the things that were wanting, and appoint elders in every city, as I gave thee charge;6 if any man is blameless, the husband of one wife, having children that believe, who are not accused of riot or unruly.7 For the bishop must be blameless, as God’s steward; not self-willed, not soon angry, no brawler, no striker, not greedy of filthy lucre;8 but given to hospitality, a lover of good, sober-minded, just, holy, self-controlled;9 holding to the faithful word which is according to the teaching, that he may be able to exhort in the sound doctrine, and to convict the gainsayers.10 For there are many unruly men, vain talkers and deceivers, specially they of the circumcision,11 whose mouths must be stopped; men who overthrow whole houses, teaching things which they ought not, for filthy lucre’s sake.12 One of themselves, a prophet of their own, said, Cretans are always liars, evil beasts, idle gluttons.13 This testimony is true. For which cause reprove them sharply, that they may be sound in the faith,14 not giving heed to Jewish fables, and commandments of men who turn away from the truth.15 To the pure all things are pure: but to them that are defiled and unbelieving nothing is pure; but both their mind and their conscience are defiled.16 They profess that they know God; but by their works they deny him, being abominable, and disobedient, and unto every good work reprobate.