previous next

Titosy 2

Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa

1 Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilemat;2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjakat amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsyt ny tenin'Andriamanitra.6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;7 ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,8 ny teny tsy misy kilemat, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,10 tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.11 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristyt,14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.

15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.

Titus 2

1 But speak thou the things which befit the sound doctrine:2 that aged men be temperate, grave, sober-minded, sound in faith, in love, in patience:3 that aged women likewise be reverent in demeanor, not slanderers nor enslaved to much wine, teachers of that which is good;4 that they may train the young women to love their husbands, to love their children,5 to be sober-minded, chaste, workers at home, kind, being in subjection to their own husbands, that the word of God be not blasphemed:6 the younger men likewise exhort to be sober-minded:7 in all things showing thyself an ensample of good works; in thy doctrine showing uncorruptness, gravity,8 sound speech, that cannot be condemned; that he that is of the contrary part may be ashamed, having no evil thing to say of us.9 Exhort servants to be in subjection to their own masters, and to be well-pleasing to them in all things; not gainsaying;10 not purloining, but showing all good fidelity; that they may adorn the doctrine of God our Saviour in all things.11 For the grace of God hath appeared, bringing salvation to all men,12 instructing us, to the intent that, denying ungodliness and worldly lusts, we should live soberly and righteously and godly in this present world;13 looking for the blessed hope and appearing of the glory of the great God and our Saviour Jesus Christ;14 who gave himself for us, that he might redeem us from all iniquity, and purify unto himself a people for his own possession, zealous of good works.15 These things speak and exhort and reprove with all authority. Let no man despise thee.